Votre panier est actuellement vide !

Mifarana ny taona. Manasa anao izahay hanao jery todika kely ny zava-bitanao/niainanao nandritra ity taona ity.
Ny fanontaniana tsara apetraka dia hoe: Nitombo ara-panahy ve ianao? Nianaranao sy niainanao ve ny teniNy ary nanatratra ny ohatry ny fahafenoan’i Kristy ve ianao?
Te hanampy anao amin’izany izahay ho an’io taona ho avy io, koa izany indrindra ny anton’ity fandaharana vaovao ity. ๐๐๐ฅณ
Ho arahinao isan’andro amin’ny 5:45 maraina ao amin’ny Radio Vaovao Mahasoa 106.8 Mhz sy ao amin’ny tranokala 3mpublishing.net manomboka amin’ny taona 2025, miresaka momba ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly araka ny lohateny hoe Fahamarinana iainana mba ahafahanao miaina sy mampiatra ny tenin’Andriamanitra amin’ny andavanandrom-piainanao.
Ny fampianarana rehetra ho hitantsika amin’ity fandaharana Fahamarinana iainana ity dia notsongaina avy ao amin’ny boky Truth of life nosoratan’i Alistair Begg.